Amis

Nouvelles News

Madagascar

 FANKALAZANA NY FAHA-300 TAONA NY NAHATONGAVAN’IREO ZANAKA VAVIN’NY FAHENDRENA TAO SAINT-LAURENT



Miarahaba antsika Sakaizan’ny Fahendrena maneran-tany,

Faly izahay AMI-E-S avy aty Fandriana miarahaba antsika rehetra nahavita soa ny fankalazana ny Paka. Isaorantsika Andriamanitra na dia ireny niaraha-nahita ireny aza ny zava-misy manerana izao tontolo izao. Dia mamerina ny fiarahabana antsika rehetra koa nahatratra soa aman-tsara ny fankalazana ny fetin’ny Montfort sy Marie-Louise izay vao tsy ela izay.

Mahakasika izany indrindra no zarainay amintsika eto androany.

Anio alahady 10 May 2020 no niarahanay nankalaza izany teto Fandriana. Araka izao sary manaraka izao.

Tapany maraina : Fihatahana Masina (Recollection) niarahana tamin’ny Zoky am-panahy (Sr Henriette), nanazavany ny mahakasika ireo Mpanorina ny fikambanana sy ny fandalinana ara-panahy mifototra amin’ny fehin-kevitra ifotoran’ny hoe MITIAVA TSY MISY EFITREFITRA… (Aimer sans frontières).


Fiarahana niaraka tamin’ireo zatovo AMIS sy  Ireo olondehibe AMIS


Tonga niara-nifaly niaraka taminay koa ireo olona notohanan’ny Amis tamin’ny alalan’ny asa soa (fitsaboana, fanampiana ara-tsakafo).

 

 

Ity zaza ity ohatra dia tratry ny tsy fanjariana ara-tsakafo maherivaika






Febroary 2020


 




May 2020


Avy an-kavia mankany an-kavanana : Vehivavy voan’ny homamiadana ny vavany tamin’ny taona 2017£ˆ, notsaboina ary nanampy izay azony nomena ny AMIS. Sitrana izy io ankehitriny.

Io zazalahy kely io moa dia naiditra hopitaly noho ny aretina nahazo azy. Nandray anjara tamin’izany koa ny AMIS.

Io hitantsika trotroin-dreniny io kosa ilay zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo nambarantsika tery ambony.

“Miaraha mifaly amin’izay mifaly” hoy Jesoa dia mba nifanotrona izahay rehetra androany!...

 

 

Rehefa vita izany dia niara-nisakafo izahay rehetra. Ry Masera moa no nikarakara azy tao e!



Natao tsotsotra moa ny fankalazana noho ny hamehana ara-pahasalamana mbola mitohy eto Madagasikara.

Ny erikerika hono mahatondra-drano, ka samy manao izay kely vitany ny tsirairay dia mahavita be ihany amin’ny farany. Marihina fa miara-miasa eo akaikin’ireo zanaka vavin’ny Fahendrena ny AMIS mahakasika izany rehetra izany.

Dia izay indray no azonay avy aty Fandriana nozaraina tamintsika rehetra.

Vaovao nangonin’ny DDKM.


Madagascar




Aucun commentaire