Amis

Nouvelles News

Madagascar


VAOVAO AVY AMIN’NY AMIS DE LA SAGESSE – FANDRIANA

Nandalo fotoan-tsarotra ny A.S teto Fandriana nandritra iny taona efa madiva hifarana 2019 iny noho ny  lahatr’Andriamanitra.
Tsy dia nisy firy noho izany ny fotoana nahafahanay nanao fandalinana ny Parcours de Base. Ary vokatry ny fiovaovana izay nisy teto amin’ny firenena moa dia nahemotra ho amin’ny taona ho avy ihany koa ny fihaonam-be nasionaly saika hatao tany Salazamay (Tamatave) tamin’ity taona 2019 ity.
Fa ny Alahady 03 Novambra 2019 teo ny A.S eto Fandriana no nanomboka ny fivoriana fanaony isam-bolana.

 
Eto amin’ny Sekoly Fahendrena no toerana fihaonanay


Tetsy an-danin’izany dia tonga namangy ny Province de Madagascar ny Conseil Général avy any France tamin’ny herinandron’ny 18 Novambra 2019 lasa teo ka maharitra andro maromaro aty an-toerana. Tonga nanotrona ny fandraisana azy ireo teny Benasandratra (Antananarivo) ny Mpikambana ao amin’ny Komity iraisam-pirenena ho an’ny A.S eto Madagasikara.




Ireo Ekipa ao amin’ny Conseil Général tonga teny Benasandratra



Ny Solotenan’ny Komity Iraisam-pirenana ho an’ny A.S



Nisy moa ny fandraisana mafana nataon’ireo Masera Zanaka Vavin’ny Fahendrena tamin’ny alalan’ny dihy sy totorebika teo am-pahatongavana





Nandray anjara fitenenana ny Provinciale eto Madagasikara nanokatra ny lanonana


Teo ihany koa ny anjara fitenenan’I Mère Générale


Fa tsy latsa-danja kosa ny kanto nasehon’ireto masera ireto


Nandray anjara koa ireo Amis de la Sagesse avy eny Ambolonkandrina



Sy ireo Amis de la Sagesse avy ao Antsakaviro


Fa nanolotra ny fisaorana kosa ny mpitondra teny avy amin’ireto vahiny tamin’iny Talata tolakandro iny.


Nisy moa ny fanolorana ireo vahiny ho fantatry ny be sy ny maro nandritra ny sakafo atoandro iny Talata iny

 
Hita sy tsapa fa samy faly ny rehetra


Izany no tontosa dia ny fahaiza-manaon’ireto masera manan-talenta ireto


Hatreo ny azonay natrehana fa natokana ho an’ireo Zanaka Vavin’ny Fahendrena moa ity fihaonana ity ka rariny raha izy ireo no manohy ny dinika rehetra mandritra ny andro vitsivitsy.
Fa ny A.S Kosa dia tsy ny fikarakarana ny voafonja na ny marary ihany no sahaniny fa eo dia eo koa ny fanentanana an-tsehatra toy ity natao tany Mahajanga ity.




Isan’ny voizin’ny Amis ny Fanaparitahana ho fantatr’olona ny Aingam-panahy montfortanina, amin’ny alalan’ny filalaovana tantara an-dapihazo.
Vaovao nangonin’I DDKM

Aucun commentaire